Aina no fetra, ry Jesosy Tompo Izany no tenin'ity zanakao Vonon-kanaraka Anao sy hanompo Amin'ny mora sy sarotra hatao : Mandrakizay no tokim- panompoana Mamin'ny olona izay afakao, Mandrakizay hekenay ho faneva Ny holatrao nanavotana anay. Na ny mangidy heverina ho mamy Raha miray Aminao izahay, Iza no tsy hahafoy ny ainy Mba ho Anao izay nisolo anay ! Mandrakizay, ..sns. Hianao, ry Jeso ! no Ilay Kapiteny Izay hampandresy tokoa anay ; Fa raha Hianao, Tompo, no mba miteny, Lasa izay mahakivy anay ; Mandrakizay, ..sns. Vonon-kandeha na aiza na aiza, Ireto mpanompo matoky Anao ; Na dia ny fahafatesana aza, Tsy hahaleo anay mpianatrao ; Mandrakizay, ..sns.องค์พระบิดาแห่งสวรรค์ lạ tgẖḍ ạlṭrf فوق الرياسات يسوع ربي أحمد 눈을 들어 주를 보라 frḥ mḥbẗ bqwlk ạ̉nạ gẖryb Tí, čo sú smädní Раб Сени Терк Етмез Йюреим Там Алевленсин
Song not available - connect to internet to try again?