Aina no fetra, ry Tompo Mpanjaka ! Aina no fetra anarahana Anao Ka ny faneva tsy maintsy ho zaka, Ny fanompoana tsy maintsy hatao. Indreto izahay hilanja faneva : Ilay hazo izay nanavotana anay. An-tsitrapo no anoloranay tena, Ka tano mba ho Anao izahay. Aina no fetra ho enty-manoa Ilay Zanakondry nisolo anay ; Fandavan-tena sy fanaovan- tsoa No fianarana atolotra anay, Indreto izahay ..sns. Aina no fetra, ry Tompo malala ! Aino no fetran'ny fitiavanay ; Ka sanatria izay handao na hiala ; Mandrakizay, ho Anao izahay. Indreto izahay ..sns. Aina no fetra, ny hofo anefa Mora mirona ho lavo indray, Ka manampia, ry Mpandresy mahefa ! O ! mba tantano, hazòny izahay. Indreto izahay ..sns. Aina no fetra, ka ampio, ry Fanahy ! Aina no fetra, vonjeo e, ry Ray ! Aina no fetra, izahay re no sahy ; Aina no fetra, handresy izahay. Indreto izahay ..sns.Benim RAB'bim bana yeter yạlly ʿsẖạnk Исраил Мемлекетинде То Твоя любов Чаши Гнева Il Tuo amore grande zhǔ yào zài zhè lǐ zhǎng wáng quán خبأت كلامك Не кадар чок арасам Du hast mich vom Tod errettet
Song not available - connect to internet to try again?