Aingao ny masontsika Hitsinjo tany soa ; Fa ao ny Tompontsika Manomana tokoa Tanàna, trano tsara, Fianan-tsambatra e ! Izany no anjara Ho an'ny mino re ! Ny andro fifaliana Ho avy ka antenao ; Ny andro nihafiana Ho foana sy handao ; Ny taona fihobiana Homen'ny Tomponao ; Ho feno fifaliana Izao rehetra izao. Ny andro maharavo Tsy ho ela intsony izao ; Hiarina ny lavo Handray ny tena vao, Irio ny Tompo Avo Ho avy hanavao ; Ho faly izay mahazo Izao fiainan-tsoa izao.Ada Lagu Sedap! Aveva ragione lmạ ạ̉kwn tʿbạn Открой для Бога сердце Non dimenticherò Господь Ты мой свет и спасение моё Jordánom .. До ревности любит Дух qf yạ jndy - Live Назаретли Иса Мəсиһ
Song not available - connect to internet to try again?