Aiza re no hahitako Izay hampionona ny fo ? Iza re no handrandraiko Andrao dia tolan'ny manjo ? O ! ry ory sy mahantra Manatòna Ahy izao. He, ny foko feno antra, Hampiadana anao. Aiza re no hahitako Izay hanala tahotra ? Fa ny lalana ombako Mahatoran-kovitra ! Aza kivy, ry mahantra ; Manatòna Ahy izao. He, ny foko feno antra, Ampy hiafenanao. Aiza re no hahitako Izay hamela heloka ? Indrisy re ity fahotako Tena mahaketraka ! Ry sakaizako mahantra ! Mba minoa Ahy izao ; He, ny foko feno antra, Hanavotako anao. Ry Jesosy ô, malala ! Fialofako Hianao ; Izaho tsy hisalasala Hiantoraka Aminao. Eny, manatòna Ahy Feno fitiavana ; Aza manana ahiahy ; Izaho no mpiantoka.قانداي سونۇن قىشتىن كۉنۉ قوللي ليه ربي راعى وسلامي Quand je contemple cette croix Галаа буулгаж өгөөч ḥạjty dwmaⁿạ ạ̹lyk Иисус восстал Исцели моё сердце больное فرحاً اغمرنا Ближе к Себе о Спаситель влеки
Song not available - connect to internet to try again?