Alina ny andro Ka efa mba hatory Ny masonay ; Hianao Jehovah ô ! Izay tsy mety sasatra, No aronay. (in-2) Lasa ny mazava, Ka ny masoandro Tsy hitanay ; Tsy matahotra izahay, Hianao an-danitra Mahita anay. (in-2) Fa ny kintana eny Efa manazava Ny dianay ; Koa tsy nafoinao, Fa nasehonao ireo Ho tokinay. (in-2) Alina sy andro Samy mba manaiky Ny tendrinao ; Tonga re ny maizina, Nefa tsy ilaozanao Ny olonao. (in-2) Eto ny mazava Dia manam-petra ; Fa ao aminao Tsy mba misy alina, Fa mamirapiratra Ny tavanao. (in-2)НА СЕДНАЛИЯ НА ТРОНА CORAZÓN DE ALABANZA Шюкюр сана, шюкюр сана Хвала святой любви Отца إنت الأسد hllwyạ hllwyạ ạlrb ṣạlḥ nǐ de guó dù shì yǒng yǒng yuǎn yuǎn تعليق 2 Ty si jediný Boh mạdẖạ ạ̉nạ ạ̉fʿl
Song not available - connect to internet to try again?