Ampianaro aho, Tompo, mba hiambina ! Mandalo tahaka ny rivotra ny androko. Ka mihalany isan-andro isan-alina, Ambara-pahatapitry ny fe-potoako. Endrey ny voninkazo, raha vao maraina e ! Fa tsara ka mamirampiratra ny endriny ; Kanefa maty izy amin'ny hainandro be Ka raha hariva dia simba ny tarehiny. Ny tenako no voninkazo ka hihintsana, Ny aiko tahaka ny zavona sy aloka Izay mandalo ka tsy manam-pijanonana ; Ny taonako mandroso tahaka ny riaka. Tsy manam-panorenana atý ny heriko, Mihelina ka tsy mba hita ny alehany ; Malaky tahaka ny tselatra ny androko, Ka tsy miatoato ao am-pandehanany. Ry Tompo ô, ampio aho mba hiomana, Ka mba hadio fo na aiza no alehako, Ampaherezo mafy aho mba ho malina, Mba tsy ho tonga tampoka amiko ny fetrako !Nu aceasta e menirea noastră ḥkwạ ly ạlnạs О пей из источника жизни Жизнь человека так кратка мгновенна Gwiazdą w mych ciemnościach Birodarlarning inoq boʻlib yashashi Yigit Vstaň, srdce a s radosťou yạ bạny ạlkl Излей Духа Си
Song not available - connect to internet to try again?