Ampianaro aho, Tompo, mba hiambina ! Mandalo tahaka ny rivotra ny androko. Ka mihalany isan-andro isan-alina, Ambara-pahatapitry ny fe-potoako. Endrey ny voninkazo, raha vao maraina e ! Fa tsara ka mamirampiratra ny endriny ; Kanefa maty izy amin'ny hainandro be Ka raha hariva dia simba ny tarehiny. Ny tenako no voninkazo ka hihintsana, Ny aiko tahaka ny zavona sy aloka Izay mandalo ka tsy manam-pijanonana ; Ny taonako mandroso tahaka ny riaka. Tsy manam-panorenana atý ny heriko, Mihelina ka tsy mba hita ny alehany ; Malaky tahaka ny tselatra ny androko, Ka tsy miatoato ao am-pandehanany. Ry Tompo ô, ampio aho mba hiomana, Ka mba hadio fo na aiza no alehako, Ampaherezo mafy aho mba ho malina, Mba tsy ho tonga tampoka amiko ny fetrako !Toužím Это мой дом (интро) SI MÔJ BOH London Bridge is Falling Down Quiero al Salvador conmigo Бір Құдайға сенем дегеннің, болады басы - Иса Мәсіх ПРИБЛИЖАВАМ СЕ 圣灵的能力 Môj Ježiš, si spásou Ариунаас ариун газар ороод
Song not available - connect to internet to try again?