Ampihetsehin'inona Izao ireo vahoaka, Ary iza no arahiny No dia samy maika erý ? // Ry jamba ô, fantaronao, Jeso mandalo anao izao // Jesosy Iraky ny Ray Dia samy mety no mahay Manafaka ny rofinao Sy mampahiratra anao ; // Koa mitsangàna hianao, Jeso mandalo anao izao // O, ry mivesatra entana, Hantòny ny Mpanafaka ! Ry zaza very hatrizay Modia ao an-tranon-dRay // Ry jamba ô, heveronao Jeso mandalo anao izao // Ny lalan-tsarotrao atý Tsy misy tsy nalehany, Ny rofy nositraniny, Ny maty novelominy, // Ny jamba faly nahare ; Indro Jeso mandalo re ! // Ny indrafony mbola injao, Mitety izao tontolo izao: Ny tranontsika alehany, Ny fo mihidy doniny. // Ampandrosoy Izy hoe : Jeso ô ! aza mandalo re ! // Fa raha tsy ahoanao Izao fandalovany izao, Ka nony efa farany Vao tia ny hovangiany. // Indrisy tsy ho hitanao Jeso Izay efa nandalo tao //Panie, zsyłasz łaski deszcze Жараткан менин Кудайым Profundo es el amor de Dios Święte Imię Jezus Ҳалилуйя, Ийса тири! Avlularına Al Beni بيك هانعدي معاركنا Wspaniały świat, prawdziwy raj క్షణికమైన బ్రతుకుమైన Tengo en mi corazón un canto
Song not available - connect to internet to try again?