Ampihetsehin'inona Izao ireo vahoaka, Ary iza no arahiny No dia samy maika erý ? // Ry jamba ô, fantaronao, Jeso mandalo anao izao // Jesosy Iraky ny Ray Dia samy mety no mahay Manafaka ny rofinao Sy mampahiratra anao ; // Koa mitsangàna hianao, Jeso mandalo anao izao // O, ry mivesatra entana, Hantòny ny Mpanafaka ! Ry zaza very hatrizay Modia ao an-tranon-dRay // Ry jamba ô, heveronao Jeso mandalo anao izao // Ny lalan-tsarotrao atý Tsy misy tsy nalehany, Ny rofy nositraniny, Ny maty novelominy, // Ny jamba faly nahare ; Indro Jeso mandalo re ! // Ny indrafony mbola injao, Mitety izao tontolo izao: Ny tranontsika alehany, Ny fo mihidy doniny. // Ampandrosoy Izy hoe : Jeso ô ! aza mandalo re ! // Fa raha tsy ahoanao Izao fandalovany izao, Ka nony efa farany Vao tia ny hovangiany. // Indrisy tsy ho hitanao Jeso Izay efa nandalo tao //แด่พระองค์ที่ข้ารัก The Move is On بعد ما كنت عبد أسير Envía tu luz pura Yalnızca Sen Seni Severim, Severim มาร่วมกันร้องเพลง Let There Be Light Poďte, duše s radosťou svätú omšu sláviť Nemôžem bez teba žiť
Song not available - connect to internet to try again?