An-dafin'ny efitra lava sy maina No misy ilay tany izay mamin'ny fo Ilay tany izay efa nampanantenaina Ho lovan'ny mino izay mankatò Iriko indrindra ny mba ho tafita, Tsy mety miadana mandra-pahita. Anefa ny lala-mankany no mafy, Ny rafiko maro manotrika ao, Ny nofo indrindra no tena mpandrafy, Ka tery ny lalan-kaleha izao ! Anefa tsaroako tsara ny teny Milaza fa misy fitsaharana eny. Ka aza mba ketraka, ry mpivahiny, Hevero fa Jeso no momba anao ; Ilay nampangina ny loza fahiny Dia mbola mahay mampandresy anao ! Andrasonao kely, ho lany ny fetra, Ho ringana ny fahavalo rehetra Izaho hiezaka mafy tokoa Hahazo ny loka ao alohako ao ; Ny tafio-divotra mba mahasoa, Fa hahatongavako faingana ao ; Indray mipi-maso ny eto an-tany Ny any an-danitra tsy hita lany.wǒ men de yuán shuài مريم أناديك أماه Творец Непостижимый Хамт Олсун Раббим Сана Tam na golgotských výšinách kl ạlmjd wạlạ̹krạm Ближе все ближе Боже к Тебе Que l'on adore Toʻlov qildi Iso Sé exaltado, oh Padre eterno
Song not available - connect to internet to try again?