An-danitra, an-danitra Tempolin'i Jehovah, No hahitàna Azy, re Am-boninahitra ! // Ka masina i Jehovah // No hohiraina ao. An-danitra, an-danitra No mba hamiratra Ny voninahi-dehibe Hananantsika e ! // Raha tonga ny fihaonana // Ao amin'ny Jehovah. An-danitra, an-danitra No ho finaritra Ny tena izay nijaly be Am-pahoriana // Fa any no hifaly e // Fahasambarana. Ny fo sy ny fanahy e, No faly anie, Fa afaka ny entana, Izay nivesarany ; // Ka fitsaharan-dehibe // Omen'i Jehovah.. Tsy hain'ny lela anie Hanonona izao Ny soa antenaina e, Raha Anatrehany, // Manenika ny lanitra // Ny fitiavany. Ry Jeso Kristy Tomponay Tariho izahay, Ka mamelà ny helokay, Mba hitokianay, // Fa tsy ho menatra izahay // Fa ao i Jehovah. Raha avy ny hodianay Ho anatrehany Tariho izahay, Mba ento, Jeso, izahay Hankany Aminy ! // Mba ho anay mandrakizay // Ny fitsaharana !Слезы святых (Просто сосуды) Ty si svätý, svätý, nik nie je ako Ty Марям бо ҷону дил гуфт hw ạlrb Билийорум ОБИЧАМ ТЕ С ДУШАТА СИ trạk 5 Коли я дивлюсь як рожевого ранку ىبرايىمنىڭ قۇدايى Ty si najvyšší, Ty si Pán
Song not available - connect to internet to try again?