An-danitra, an-danitra Tempolin'i Jehovah, No hahitàna Azy, re Am-boninahitra ! // Ka masina i Jehovah // No hohiraina ao. An-danitra, an-danitra No mba hamiratra Ny voninahi-dehibe Hananantsika e ! // Raha tonga ny fihaonana // Ao amin'ny Jehovah. An-danitra, an-danitra No ho finaritra Ny tena izay nijaly be Am-pahoriana // Fa any no hifaly e // Fahasambarana. Ny fo sy ny fanahy e, No faly anie, Fa afaka ny entana, Izay nivesarany ; // Ka fitsaharan-dehibe // Omen'i Jehovah.. Tsy hain'ny lela anie Hanonona izao Ny soa antenaina e, Raha Anatrehany, // Manenika ny lanitra // Ny fitiavany. Ry Jeso Kristy Tomponay Tariho izahay, Ka mamelà ny helokay, Mba hitokianay, // Fa tsy ho menatra izahay // Fa ao i Jehovah. Raha avy ny hodianay Ho anatrehany Tariho izahay, Mba ento, Jeso, izahay Hankany Aminy ! // Mba ho anay mandrakizay // Ny fitsaharana !مش لاقي في وقت الضيق Senin Tarlan cok buyuk O, pielgrzymie Хоҙайҙы яратыусы Бөјүк хошбəхтликдир бир јердə олмаг Сенден Башкасъ Йок Vlasť moja krásna, nadzemská جۇرەگىمنىڭ پاتشاسى بول يسا ماسىعىم 주님 다시 오실때까지 I Prophesy
Song not available - connect to internet to try again?