(Hira Paska) Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray ; Anao ny fandresena, Ry Mpanjakanay Ny fasana nivoha, Noho ny herinao Ny Anaranao Tsitoha Tsy voatana tao. Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray Anao ny fandresena, Ry Mpanjakanay ! Hianao nandresy, lao re ny fasana ; Ny fanjakan'ny ota koa ho lasana Ny herin'i Satana, vato nikodia, Ny Anaranao nandresy Haharitra doria, Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray Anao ny fandresena, Ry Mpanjakanay ! He, ravo aho : Izy no santatra ; Izaho koa hifoha, Mba ho sambatra ; Ny fandresen'i Jeso, Lovako tokoa ; Ny Anarany Tsitoha Hanangana ahy koa. Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray Anao ny fandresena, Ry Mpanjakanay !ạlsmạʾ hy wṭny Нажот поездига ўтириб Digno إلى من أذهب Blúdiš v cudzom kraji Я не знаю что делаешь ты я славлю Господа ạ̹ly qlby Vai I Have a Friend Who Loves Me Ариун шөнө
Song not available - connect to internet to try again?