(Hira Paska) Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray ; Anao ny fandresena, Ry Mpanjakanay Ny fasana nivoha, Noho ny herinao Ny Anaranao Tsitoha Tsy voatana tao. Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray Anao ny fandresena, Ry Mpanjakanay ! Hianao nandresy, lao re ny fasana ; Ny fanjakan'ny ota koa ho lasana Ny herin'i Satana, vato nikodia, Ny Anaranao nandresy Haharitra doria, Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray Anao ny fandresena, Ry Mpanjakanay ! He, ravo aho : Izy no santatra ; Izaho koa hifoha, Mba ho sambatra ; Ny fandresen'i Jeso, Lovako tokoa ; Ny Anarany Tsitoha Hanangana ahy koa. Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray Anao ny fandresena, Ry Mpanjakanay !La mia stessa lingua dào shén miàn qián lái de rén بكل لغة وكل لسان యేసు నీవే చాలునాకు వేరెవ్వరు అక్కరలేదు ạ̹ḥfẓny fy rḍạk Бас нэгэн үр жимсийн төлөө Just a Closer Walk With Thee Ҝөјлəрин Падшаһы, Рəбб Иса 'Ku Dengar Panggilan Tuhan God rest you merry, gentlemen
Song not available - connect to internet to try again?