Andeha, ry hava-malala ! Andeha hiaraka izao, Hitady fonenana tsara Honenana mandrakizay Ao amin'ny tanin'ny Tompo Ny fahasambarana be, Ny ota tsy miditra akory, Tsy misy ny loza manjo, Dia aoka hiaraka isika, Ry hava-malala izao ! Hitady fonenana tsara Honenana mandrakizay. Ny trano dia maro tokoa, Mifaly ny mponina ao, Tanteraka soa ny aleha, Fitia omena ny ao ; Miara-midera ny Tompo, Mpanavotra be indrafo ; Miara-mandova ny soa, Mitafy ny lamba madio. Dia aoka hiaraka ..sns. 3-Na ety ny lalana aza, Na maro ny zava-manjo, Dia aza matahotra akory, Mandroso ny mety hatao ; Anjely tsy tambo isaina Hirahin-kanampy anao ; Mpanompo ny Avo indrindra Hitoby hiaro anao. Dia aoka hiaraka ..sns.Pozri Boh sám ياللي مش لاقي Калбиниз Кайгъланмасън Их Эзэн үгээ айлдвал ساڭا ئىبادەت قىلىمەن Môj, môj, môj,môj Для тебя эту песню пою ياللي عديت الشعب Цветок белоснежный لسه الدم
Song not available - connect to internet to try again?