Any ambony fonenana tsara Dia tsy mba misy itseran'ny fo ; Eny iriko ho tsara miafara Hiara-manjaka aminao ry Jeso ! Isaoranay ny Tomponay, Raha 'mby any dia faly tokoa ; Isaoranay ny Anaranao soa ! Rehefa tonga ilay andro malaza Izay hanatrehana Anao, ry Jeso ! Izay no heveriko ho tena laza : Dia ny hidera Anao, Tompo ô ! Isaoranay ny Tomponay, Raha 'mby any tsy mba ory koa ; Isaoranay ny Anaranao soa ! Ao izany havana tena malala 'Zay mahafaly fa hita indray, Nefa izay hampifaly tokoa Dia ny mihaona aminao ry Jeso ! Isaoranay ny Tomponay, Raha 'mby any tsy misy manjo ; Isaoranay ny Anaranao soa !tsbyḥy hyʿlạlk Hoʻsh habor: Ibodat haqida; Eng buyuk amr ЦАРСТВОТО БОЖИЕ ПЪРВО భీకరుండౌ మా యెహోవా Пусть Царь в сердце моём Salmo 46 Эль-Шадай Вужудингизда кўринадиган Лүтфүнлə долудур Göylərdən bu yerə Xoş Xəbər gəldi
Song not available - connect to internet to try again?