Ao ny andro lehibe Misy fifaliam-be, Dia ny andro hahatongavana Amin'ny fonenana Feno fiadanana. Tsy mba misy ota na heloka, Eny, tena andro malaza tokoa izay. Jeso Ilay nandresy ny fasana, Izy no hitantana Ao am-pahafatesana, Ka ho mora ny handehanana. Ao ny andro lehibe Misy fifaliam-be, Izay hihaonana any an-danitra, Afa-pahoriana, Afa-pijaliana, Sambatra tokoa sy tretrika. Enga ka ho ao avokoa isika izao Ka tsy hisy very na dia iray ! Tava miramirana, Endrika mamiratra No hananantsika mandrakizay. Ao ny andro lehibe Misy fifaliam-be, Hahitana an'Andriamanitra Sy Jesosy Zanany Mbamin'ny Fanahiny. Hoby no hameno ny lanitra. Serafima sy arkanjely no namana Mankalaza ilay feno indrafo. Ny fitomaniana Sy ny fisentoana Tapitra, fa afaka ny manjo.ʿạyz ạ̉qrb mnk أنا بعيوني Сен келиб ўзгартирдинг менинг ҳаётим flmạdẖạ ạ̉nt mṣlwb Nad tebou bdie tvoj Pán Rabbimning bizga bergan inoyati Қўнғироқлар жиринглар Nos volvemos hoy a ver Mi fe tengo puesta en Cristo A ZUNTU KHUAZEI AH DAH AN UM?
Song not available - connect to internet to try again?