Ao ny lanitra tsara tokoa Izay fonenana mandrakizay, Tany be hasambarana koa ; Ao isika hihaona indray ; Mifalia, mihobia, Fa ao isika hihaona indray. Ao ny lova izay mamin'ny fo Sy fiainana mandrakizay, Voninahitra tsy mba ho lo ; Ao isika hihaona indray ; Mifalia, ..sns. Ao ny Ray, Loharanon'ny soa, Hovantanina rahatrizay, Izay hampiditra hoe : mandrosoa Ao isika hihaona indray ; Mifalia, ..sns. Ao ny Zanaka be indrafo Izay nijaly tatý fahizay ; Nefa tsy mba nahita ny lo, Fa efa velona mandrakizay ; Mifalia, ..sns. Ny fanahin'ny Ray ao tokoa Izay mitarika antsika izao Sy mananatra antsika ho soa, No mitondra antsika hankao Mifalia, ..sns. Matokia, miravoa, mifalia, Fa azontsika ny lapan'ny Ray Midérà, mihirà, mihobia, Fiadanana mandrakizay Mifalia, ..sns.EC-NS Nema veće ljubavi (Never Been A Greater Love) CHRIST RECEIVETH SINFUL MEN تعليق 13 - مين الكسبان ؟ Bekliyorsan Bir Umut إحسانك فاق الأوصاف НАД ПЛАНИНИ И ДОЛИНИ Tu per me Jeso, Mpanjaka malaza فات على الصليب ألفين سنة الرب يهوه إلهي
Song not available - connect to internet to try again?