Aoka ho an'Andriamanitra Ny fanendrena ny lalanao, Fa hovimbininy hianao Amin'ny lalan-tsarotra ; Fa toky tsy mamitaka Ny tenin'Andriamanitra. Fa inona no azonao Amin'ny fitahiana ? Tsy afaka ory hianao Noho ny fisentoana ; Na be herehina hianao, Ho be ny alahelonao. Lefero kely, maneke Izay sitrak'Andriamanitra, Ny zavatra tinendriny Tsy maintsy mahasoa anao ; Isika nofinidiny, Ka tsy ho foiny indray. Fa fantatr'Andriamanitra Izay andro hifaliana Isika no hodioviny Amin'ny fahoriana ; Tsy maintsy hofantenana Vao afa-pahoriana. Dia aza atao fa hianao Afoin'Andriamanitra ; Fa Izy dia mananatra Ny zaza izay tiany, Ka dia mba manomana azy Handova ny an-danitra. Misaora ny Ananrany, Fa aza ketraka hianao Fa ho tanteraka aminao Ny soa lazain'ny Teniny ; Fa toky tsy mamitaka Ny Tenin'Andriamanitra.Хайди Сьойле! Heilig, heilig das Lamm Gottes Ty si mi dal novú pieseň Uděláme hoky toky malou rotaci Isa Iem aǵataıym meniń صبر أيوب jạʾ yswʿ ạbn ạlạ̹lh ạ̉kẖṭy fạ̉ftsẖ Vrei să fii iertat vino prieten la Isus Mihainoa ry Ziona, o!
Song not available - connect to internet to try again?