Aoka ho an'Andriamanitra Ny fanendrena ny lalanao, Fa hovimbininy hianao Amin'ny lalan-tsarotra ; Fa toky tsy mamitaka Ny tenin'Andriamanitra. Fa inona no azonao Amin'ny fitahiana ? Tsy afaka ory hianao Noho ny fisentoana ; Na be herehina hianao, Ho be ny alahelonao. Lefero kely, maneke Izay sitrak'Andriamanitra, Ny zavatra tinendriny Tsy maintsy mahasoa anao ; Isika nofinidiny, Ka tsy ho foiny indray. Fa fantatr'Andriamanitra Izay andro hifaliana Isika no hodioviny Amin'ny fahoriana ; Tsy maintsy hofantenana Vao afa-pahoriana. Dia aza atao fa hianao Afoin'Andriamanitra ; Fa Izy dia mananatra Ny zaza izay tiany, Ka dia mba manomana azy Handova ny an-danitra. Misaora ny Ananrany, Fa aza ketraka hianao Fa ho tanteraka aminao Ny soa lazain'ny Teniny ; Fa toky tsy mamitaka Ny Tenin'Andriamanitra.Tyś Bogiem mym Dziecię, nie płacz, nie narzekaj KHUADEI HLAN TIANG KAN UMPI HNA LAI Zostaje jeszcze odpocznienie Lacrimile de durere ạ̉tynạ ky nsbḥk تعالوا تعالوا يا تعابى Io sento in me Я жду когда прольется дождь ماشي سواح
Song not available - connect to internet to try again?