Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao. Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao. Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho. Dia hitandrina ny làlanao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria. Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko. Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra. Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny. Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao. Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy Izao no mampiononona ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy. Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba miala amin'ny lalànao aho. Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho. Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao. Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako. Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao. Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho. Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka, Ary ny Fanahy Masina; Eny, hisaorana sy hankalazaina anie Andriamanitra mandraki-zay. Amen.Daj nam, Panie, wytrwać w czasie burz Твоята милост, Господи Dera, Laza, Hery, Haja О, Господь, сокровище моё Ótti, mine taǵy bir kún 末后的光景 mntẓrynh Boh sa nám teraz narodil يا ربنا أنت - موسيقى mhmạ tḥạwl tgẖryny
Song not available - connect to internet to try again?