Ario ny tahotrao, Ry olona osa fo ! Izay lazain'ny Tomponao Tsy hisy tsy ho tò ; Ny fisentoanao Dia reny avokoa ; Ny feon'ny fitarainanao Valiany tokoa. Mpanjaka lehibe No itokianao ; Ny tanany mahery re No hamonjena anao ; Tsy misy mahalà Izay tiany hatao : Handositra amin-tahotra Ny fahavalonao. Ny fitondràny soa No iankinonao ; Koa aoka hofidiny koa Izay halehanao ; Na dia tsy takatrao Ny sainy lalina Izay tendreny ho anao Ekeo ho marina. Ry Tompo tsara ô ! Mba mijere anay, Na reraka aza re ny fo Tohanonao izahay : Ovay ny hevitray, Ny fonay hazavao, Izay atoronao anay Hizoranay izao.Canım Yalnız Tanrı'da Huzur Bulur rạjʿ wṭny ప్రభువా నీ కలువరి త్యాగము Будем праздновать Քրիստոնյա Եմ Ես mạtʿlmtsẖ ạ̉ʿysẖ wạ̉nạ kẖạyf Am fost străin şi singur Ичимде Яша hl tnsy̱ ạlạ̉m rḍyʿhạ Хершей Юстюнде
Song not available - connect to internet to try again?