Arý an-koatra arý Ilay Paradisa soa Toa takona atý, Kanefa ao tokoa, Mamirapiratra ao, Ny endriky ny Ray ; Jesosy Tompo ao Miandry mba handray. Tsy misy ny hanjo Izay tafiditra ao ; Ny ranomaso koa Tsy afaka hankao Ny hazavana soa Manelatrelatra ao ; Ny zava-mahasoa Tsy misy izay tsy ao. Anjely marobe Mihira any koa ; Ireo olo-masina e Mifaly avokoa. Andeha re izao, Sakaiza marobe, Ario ny tahotrao, Ka dia mizora re ! Raha misy loza etý, Jereo ny Tomponao ; Fa izy raha tetý Nitondra toy izao. Ireo fahoriana atý Odio tsy hita re, Handraisantsika arý Ny fiadanam-be.Zem i nebo hlása Venid, venid a Jesús Ким Мени Айирар Невеста yswʿ ạ̉kẖdny qwạm Seigneur, tu nous vois yạrb Daj Pán, by sme verní zostali Did You Think To Pray? No sinful action/ Glenfinlas
Song not available - connect to internet to try again?