Atolotray hatao batisa Ny zanakay Jesosy ô ! Irinay izy mba ho isan' Ny zaza arovanao. Izahay izao efa nifidy Anao handray ny zanakay ; Ka raiso izy fa voavidy Noho ny ranao soa. Soraty izy mba handova Ny lanitra fonenanao, Ka ny Fanahinao hanova Ny fony ho Anao. Tahio ny fahazazany Ho fanorena-marina ; Ampianaro azy izany, Mivavaka Aminao. Tantano izy mandra-pita, Ho tonga ao an-danitra, Ka aoka izy mba hahita Anao an-dalany. Ka amin'ny fotoana feno, Handaozany ity tany ity, Omeo toky, iteneno : « 'Ndeha hody, anaka ».Who is Lord of Jungle Jezus mój dobry jest Preist Adonai Иноят İmansız olma, qardaşım, təəssüf edirəm ki, sən เราเป็นหนึ่งเดียวกัน Pri cieli blízko RA TUAH, RA TUAH, EMMANUEL ḥnạnk yạ rb ạlạ̉kwạn Менинг Раббим орамизда
Song not available - connect to internet to try again?