Atolotray hatao batisa Ny zanakay Jesosy ô ! Irinay izy mba ho isan' Ny zaza arovanao. Izahay izao efa nifidy Anao handray ny zanakay ; Ka raiso izy fa voavidy Noho ny ranao soa. Soraty izy mba handova Ny lanitra fonenanao, Ka ny Fanahinao hanova Ny fony ho Anao. Tahio ny fahazazany Ho fanorena-marina ; Ampianaro azy izany, Mivavaka Aminao. Tantano izy mandra-pita, Ho tonga ao an-danitra, Ka aoka izy mba hahita Anao an-dalany. Ka amin'ny fotoana feno, Handaozany ity tany ity, Omeo toky, iteneno : « 'Ndeha hody, anaka ».msẖ hạykẖyb ạ̹ymạny Кутсал Рух Атешинле Гел He aquí, yo haré algo nuevo kl qlby lk В молитве обнажается душа Раббимсин, Танръм HMAI AH KAL Любит Бог нас إن كنت صغيرًا أدخل لقدسك أترجى وجهك
Song not available - connect to internet to try again?