Atý an-tranonao izao No iangonanay Hitady soa Aminao Hahafaka ota anay ; Hiantso ny Anaranao, Handinika ny teninao, Izay mahavelona anay, Ka mba ambinonao. Na vitsy aza eto izao, Na be no tonga atý, Dia aza mba lalovanao, Atreho izahay ! Raha tonga eto Hianao Dia ampy izany ho anay ; Ny fofonain'ny Tomponay No mahavelom-po. Raha misy mangatsia-po, Mba hafanao, ry Ray ; Iraho ny Fanahinao Hamelona anay. Hanetsika ny mafy fo Ho tonga mpino mankatò Izay lazain'ny teninao Hataon'ny zanakao. Izay rehetra tonga atý Ampirisihonao ; Ka aoka samy hankafý Ny fanavotanao. Ny fonay mba sokafinao Handray ny fananaranao ; Ao aminao ny hery be, Efao ny sitrakao. Ambinonao ny irakao Hitory teny izao ; Tolorinao ny hevitrao, Ny fony hafanao ; Sokafy re ny vavany, Tendreo koa ny lelany Hilaza tsara aminay Ny sitrakao, ry Ray.Ҷалол ба Номи Исо ạllh yhtm Viaţa cu Hristos mi-a dat tot ce-i mai frumos Во дни прекрасной юности не знал я суеты İmanla yörüyeceğim ạlmrạḥm Slyšme slova spasení Swej miłości ogniwem połączył was Pan ప్రభువా నీలో జీవించుట Alańǵa kirgende
Song not available - connect to internet to try again?