Atý an-tranonao izao No iangonanay Hitady soa Aminao Hahafaka ota anay ; Hiantso ny Anaranao, Handinika ny teninao, Izay mahavelona anay, Ka mba ambinonao. Na vitsy aza eto izao, Na be no tonga atý, Dia aza mba lalovanao, Atreho izahay ! Raha tonga eto Hianao Dia ampy izany ho anay ; Ny fofonain'ny Tomponay No mahavelom-po. Raha misy mangatsia-po, Mba hafanao, ry Ray ; Iraho ny Fanahinao Hamelona anay. Hanetsika ny mafy fo Ho tonga mpino mankatò Izay lazain'ny teninao Hataon'ny zanakao. Izay rehetra tonga atý Ampirisihonao ; Ka aoka samy hankafý Ny fanavotanao. Ny fonay mba sokafinao Handray ny fananaranao ; Ao aminao ny hery be, Efao ny sitrakao. Ambinonao ny irakao Hitory teny izao ; Tolorinao ny hevitrao, Ny fony hafanao ; Sokafy re ny vavany, Tendreo koa ny lelany Hilaza tsara aminay Ny sitrakao, ry Ray.Раббимиз ве Танръмъз Всего себя Тебе отдаю Un templu sfânt să-mi fie inima యేసయ్యా నిన్ను చూడాలని ఆశ Токтото албайм көздөн аккан жашымды Sәnin Sevginә Ehtiyacım Var İsmin Ne Yüce ᠶᠢᠷᠲᠢᠨᠴᠦ ᠶᠢᠨ ᠡᠵᠡᠨ ᠡᠨᠡ ᠳᠡᠯᠡᠬᠡᠢ ᠶᠢ ᠬᠠᠶᠢᠷᠠᠯᠠᠭᠰᠠᠨ Кровь Христа еще стекает О странник к небу ты на пути
Song not available - connect to internet to try again?