Avia, Jehovah Tomponay, Handray ny vavakay, Fa mitaraina izahay, Valio ny hatakay : // Avia // handray ny fonay, // Avia, // ry Tomponay ! Savao ny alahelom-po, Mba hifalianay ; Na mafy aza ny manjo, Matoky izahay : // Avia // handray .. sns. Avia, ka taomy izahay, Ho tonga zanakao ; Mba averenonao indray, Fa te-ho olonao : // Avia // handray .. sns. Manolo-tena izahay Mba ho mpanomponao ; Ny fonay no atolotray, Ka raiso ho Anao : // Avia // handray .. sns. Raha avy ny hodianay Ho any Aminao Mba raiso ny fanahinay Ho ao an-dapanao : // Avia // handray .. sns.لا للإنكسار Звездной порою я гляжу на небо yạ ạ̉yhạ ạlậb ạlgẖny Любовь не обманет Ƴan Duniya Ba Sa Yarda Da Ubangijinmu Вера Коркма! Сенинлейим. Коркма! fkẖr ạlknysh wjmạlhạ sydhạ ạlmsyḥ جالعىز مەنىن قاالووم، القىشتوو سەنى สรรเสริญนามพระเยซู
Song not available - connect to internet to try again?