Avia ry mino ! Hifaly sy hihoby, Avia, avia hankany Betlehema : Teraka Jeso, Tompon'ny anjely ; Avia hitsaoka Azy (in-3) Izay Tomponao ! Tompon'ny tompo, Andriananahary, Nefa mba zana-behivavy koa ; Zanak'i Maria, Nefa Zanahary ; Avia hitsaoka Azy (in-3) Izay Tomponao ! Derao, ry anjely, Mihobia mafy, Ry mponina an-danitra ao Ambony ao ! Dera sy laza Atolory Azy ; Avia hitsaoka Azy (in-3) Izay Tomponao ! He, arahaba, Tonga aty an-tany Ny Tompo, Mpamonjy sy Mpanjaka koa, Tenin'ny Rainy Voatafy nofo, Avia hitsaoka Azy (in-3) Izay Tomponao !Төгс илэрхийлж чадахгүй ч Miecz słów Bożych bạsmk yạ rby На высоты возьми Yaz Yüreğime Non peccare più سەنىن سۉيۉۉڭ، وو تەڭىر، چەكسىز مولودك Иса Месих, Танръ'нън Олу Sei il mio aiuto
Song not available - connect to internet to try again?