Avia ry mino ! Hifaly sy hihoby, Avia, avia hankany Betlehema : Teraka Jeso, Tompon'ny anjely ; Avia hitsaoka Azy (in-3) Izay Tomponao ! Tompon'ny tompo, Andriananahary, Nefa mba zana-behivavy koa ; Zanak'i Maria, Nefa Zanahary ; Avia hitsaoka Azy (in-3) Izay Tomponao ! Derao, ry anjely, Mihobia mafy, Ry mponina an-danitra ao Ambony ao ! Dera sy laza Atolory Azy ; Avia hitsaoka Azy (in-3) Izay Tomponao ! He, arahaba, Tonga aty an-tany Ny Tompo, Mpamonjy sy Mpanjaka koa, Tenin'ny Rainy Voatafy nofo, Avia hitsaoka Azy (in-3) Izay Tomponao !Chisʋs holitopa yokʋt Hujan Berkat 'Kan Tercurah Pán Sionu je vládce Už slnko zašlo za hory كەلگىن سەن Aw Bethlehem tang ka tun macheng Muscoli sangue e coraggio Cand Isus Cristos m-a mântuit Она гювенийом, умудум беним О km ạ̉wd ạ̉n tdẖkrny
Song not available - connect to internet to try again?