Aza manadino ahy, Ry mpihaino vavaka ! Aza mba manary ahy Hanalavitra Anao ; Mitodiha, ry Mpanjaka ! Ka jereo ny olonao ; Aza manadino ahy, Ry mpihaino vavaka ! Hianao no fiereko, Vatolampy, heriko ; Na kamboty aza aho, Faly manana Anao ; Afa-tahotra ny foko Raha miandrandra Anao ; Aza manadino ahy, Ry mpihaino vavaka ! Eny, Hianao no Raiko, Ka hatoniko izao ; Nefa ny fahadalako Aza mba heverinao ; O ! ampifalio aho, Ka ombay ny elatrao Aza manadino ahy, Ry mpihaino vavaka ! Tabataba lalandava No mba hotako izao, Ka izaho te-ho tonga Ao am-pitsaharanao ; Mitenena, ry Jehovah ! Mamalia ahy izao ; Aza manadino ahy, Ry mpihaino vavaka !Przyjdź Duchu Święty, ja pragnę ạ̹jʿlny ṣlạẗ lk Unknown Ano, sejdem se v jitra záři Flood Iso meni sevadi Рама'да Бир Сес Как удержать мне песню хвалы Wonderful, wonderful Jesus is to me yuǎn zài tā xiāng
Song not available - connect to internet to try again?