Aza mba manadino ny ray sy reninao ; Fa izy no nitaiza sy nanasoa anao, Ka na aiza na aiza aleha an-tany lavitra, Aza mba manadino ny ray sy reninao : Tsara izay ! tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay ny ray sy reninay. Aza mba manadino ny Tanindrazanao, Tsarovy ny tanàna izay nahabe anao. Fadio izay tsy mety fanaony fahizay. Aza mba manadino ny Tanindrazanao : Tsara izay ! Tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay ny tanindrazanay. Aza mba manadino ireo mpitondra anao, Araho ny lalàna mba hiadananao. Ka na aiza, na aiza aleha an-tany lavitra. Aza mba manadino izay mpitondra anao : Tsara izay ! Tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay izay mpitondra anay. Aza mba manadino ny fivavahanao, Ataovy isan'andro mba hamonjena anao ; Mpitondra, ray, sy reny, ny tany, tena koa, Aza mba manadino ny fivavahanao : Tsara izay ! tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay ny fivavahanay.Så mange navn Dir Gebührt die Ehre Yaratuvchi Môj život už nie je prázdna loď Zo, Jama'a, Yabi Allah Тахтда ўтирган 千种辛万种苦 Билийор мусун, Чок Деерлисин? أبانا نتضع أمامك باحبك عشان جروح الصليب
Song not available - connect to internet to try again?