Be ny voninahitrao, Jeso Kristy Tompo ! Lanitra nonenanao, Maro no nanompo, Be ny mahasambatra, Faly re ny fonao ; Nanam-boninahitra Tao an-dapan-dRainao. Fa ny voninahitra Efa nialanao ; Ny haren'ny lanitra Tsy mba nojerenao, Teraka ho olona Hianao nahery, Ka avy mba hanavotra Ny mpanota very. Eny, tonga Hianao Honina amin-tany, Hahazoan 'ny olonao Soa tsy ho lany. Sarotra ny lalanao, Be ny zava-mafy, Loza no nanjo Anao, Maro no nandrafy. Saotra no aterinay, Vavaka aman-dera, Ravo ny fanahinay, Ka avy mba hihira, Vitanao ny asanao Namonjenao aina, Ka indro ny Anaranao Velona ao an-tsaina !Неужели мой Бог я останусь СЕНИҤ СӰӰЖИҤЛЕ ЈӰРЕДИМ yạ nbʿ ạ̉frạḥy ạlgẖny Бир Йемликте Ятъйор, Бебек Иса Чудное озеро Геннисаретское Вот Лев из Иуды распятый Христос 主啊我感谢你 hllwyạ hllwyạ Vezi cum se roagă Isus Сыйынганда, сыйынганда, Кудай менен
Song not available - connect to internet to try again?