Be ny voninahitrao, Jeso Kristy Tompo ! Lanitra nonenanao, Maro no nanompo, Be ny mahasambatra, Faly re ny fonao ; Nanam-boninahitra Tao an-dapan-dRainao. Fa ny voninahitra Efa nialanao ; Ny haren'ny lanitra Tsy mba nojerenao, Teraka ho olona Hianao nahery, Ka avy mba hanavotra Ny mpanota very. Eny, tonga Hianao Honina amin-tany, Hahazoan 'ny olonao Soa tsy ho lany. Sarotra ny lalanao, Be ny zava-mafy, Loza no nanjo Anao, Maro no nandrafy. Saotra no aterinay, Vavaka aman-dera, Ravo ny fanahinay, Ka avy mba hihira, Vitanao ny asanao Namonjenao aina, Ka indro ny Anaranao Velona ao an-tsaina !Өнгөрснөө өөрчилж чадахгүй Улугбек 2005 минус 20 Hlas Tvůj když volá mne zhǔ bì zài kuàng yě gěi nǐ kāi yī tiáo lù Горы растают холмы потекут نصرة هلّلويا zhè chéng yǒu bī pò jiù táo dào nà chéng Il giorno del gran Re mbạrk ạlrb Очгин, очгин
Song not available - connect to internet to try again?