Derao Andriamanitra Ry vazan-tany efitra, Fa izy no mamindra fo, Ka mety manome ny zo, Naniraka ny Zanany Hanavotra ny olony ! Ny sandriny tsy toha re, Fa manan-kery lehibe. Malaza ny Anarany, Fa lehibe ny asany. Ny zavatra rehetra e Ny ranomasin-dehibe, Ireo tendrombohitra, Ny saha feno ahitra, Ny hazo sy ny vorona Ny vato sy ny zavona, Ny voninkazo manitra, Ny endriky ny lanitra Dia samy tsy mijanona Midera ny mpamorona. Ry olona navotana Mba mitsangàna faingana, Ka miderà ny Tomponao, Izay nanavotra anao, Fa he, ny voninahiny Manerana ny taniny Tendreo ny valihanao Ka miventesa hira vao : Ry voavonjy ô, derao ny Ray Mpamorona anao !Neobstojí žiadna zbraň Дръж ме близ при кръста Ty si mojou silou Sənə alqışlar olsun, Səninlə şadlanıram سۉيۉنچۉ بەيتلەحەم شاارىندا yạ ʿdrạ ṣwrtk O qudaı jaratty ǵoı aspan jerdi sẖft mʿạh Homme crucifié ạllh ạldẖy lnạ
Song not available - connect to internet to try again?