Efa lasan-davitra, Ka hariva izao ny andro ; Hianao no Masoandro, Ry Andriamanitra, Mba arovinao ny aiko, Fa atolotro Anao ; Ampidiro ao am-poko Izao ny fiadananao. Raiso ny fisaorako, Ka tondraho ranon'aina Ny fanahy aman-tsaina, Mba ho velona izao, Dia hamoa voa tsara Amiko ny teninao, Ka ho tiako hambara Ny fahasoavanao. Ry Andriamanitra ô ! Hitanao ny fahotako, Fantatrao ny fahosako ; Mamindrà fo amiko ; Izaho tsy misalasala Mba hanatona Anao, Fa ny Zanakao malala Maty noho ny otako. Izaho ta-hatory izao, Fa mba sasatra niasa ; Tsy heveriko ny lasa, Fa apetraka aminao Aoka aho mba hahazo Fitsaharana izao ; Raha maraina mba fohazy, Dia hankalaza Anao. Kintan'i Jakoba ô, Sady Masoandron'aina, Hazavao ny fo sy saina, Mba tsy hatahorako Ny mpanimba sy mpandoza, Liona mierona, Izay minia hampidi-doza Andro aman-alina. Arosoy ny teninao, Hazavao ny firenena, Mba ho samy hanantena Famonjena aminao ; Ka ny manam-pahefana Aoka hotarihinao, Mba hitondra fanjakana Araka ny sitrakao. Fantatrao, Jesosy ô, Izay rehetra mitaraina Ka miandry ny maraina Sy ny fahasitranana ; Ny kamboty sy mahantra Aoka hotsarovanao ; Ry Sakaizanay Mpiantra, Iantrao ny olonao.هل رأيت متعبًا Oto Bóg, zbawieniem moim Исаның төгілген киелі қанымен Non posso fare a meno di Te Ta grâce nous apprend à danser Espíritu De Luz Y Amor Иса Сені аңсаймын الشعار Султэ вырӟе эшъёсы Агай-вын-сузэръёсы Yo quiero más y más de Cristo
Song not available - connect to internet to try again?