Efa resy izao na dia ny fasana aza Ka asandrato re ny hira sy ny feo Jesosy nampikoy 'lay rafy 'zay nandoza, "Ry fahafatesana ô ! aiza moa ny herinao ?" Lasa ilay tahotrao, ry foko 'zay malemy Fa torotoro 'zao ny fahavalonao, Tsy nahatohitra ny sandrin'i Jesosy "Ry fahafatesana ô ! aiza moa ny herinao ?" Efa lasa tokoa ny ozona rehetra, Nasehon'i Jeso miharihary izao, Ny fitiavany izay tsy misy fetra ! "Ry fahafatesana ô ! aiza moa ny herinao ?" Kristy no santatra : ny làlana mankany Ho ao an-tranon-dRay, mivoha tsara izao, Ny fifaliana manerana ny tany ! "Ry fahafatesana ô ! aiza moa ny herinao ?" Kristy no fiainana : izay matahotra Azy Omeny tanjaka, fanahy, fo vaovao, Ka atony velona, Mpandresy tahaka Azy. "Ry fahafatesana ô ! aiza moa ny herinao ?"Prijmi tieto naše dary Snažně běžím ạsmʿ yạ rb ạ̹ly̱ ṣlạty ạjʿlny kkẖạtm Свет, сияющий во тьме qrạʾẗ Их Эзэний алдар бидэнд илэрлээ Лайък Лайък Czy znasz to imię Верю я что есть великий Бог
Song not available - connect to internet to try again?