Efa tonga zana-dRay Tsitoha hianao, Ry tanora, tamin'ny batisa masina ; Izany no tenin'ny Tompo. Koa aza manadino ny batisanao, Zava-tsoa sarobidy efa azonao Tamin'ny ranon'ny aina. Famelana heloka sy fahasoavana, Fanavaozana ny fo sy fiadanana, Samy nomen'ny Mpamonjy. Dia arahonao Jesosy, fa Mpamonjinao ; Aoka hahafaly Azy ny fiainanao, Tovy izay sitrapony ! Mivavaha, miambena ao an-dalana ! Misy fahavalo fetsy ta-hamitaka Ny ondrikelin'ny Tompo. Mahatoky ny Mpamonjy, aza kivy fo, Izy hampionona raha avy ny manjo ; Azy ny hery rehetra. Ary raha tapitra ny andronao atý, Endrey ny fifalianao rehefa 'mby arý Amin'ny Tompo Jesosy !No lloremos por los nuestros La via sai qual è Гел Аллах ал бизи Ей бютюн улуслар Рабби йюджелтин Men baxtliman yakshanbada Seigneur, à ton regard de flamme Ҝəлирəм Тахтынын Өнүнə ʿmạnwỷyl Ба дил гуфтам, чаро Кагылайын деп эркелеткен
Song not available - connect to internet to try again?