Endrey ! endrey ! Tompo ô ! He, ny hasoavanao, Fa tsy tapaka hatrany Izany fitahianao ; Notantananao, ry Tompo Itony ondrikelinao. Endrey ! endrey ! Tompo ô ! He, ny fitiavanao ; Efa elabe tokoa no mba niheveranao Izany zaza Malagasy Izay irinao mba ho soa. Anio izahay, Tompo ô ! Mankasitraka Anao, Fa ny sandrinao mahery No niaro toy izao Tratranay mandrakariva Ny androm-pahasoavanao ! Tahio tokoa, Jeso ô ! Madagasikaranay Mba handroso ka ho tonga Madagasikaranao ; Izany re no faniriana Ho tanteraka anie !ومهما تكونى حصينة Brat môj Чуден спасител Insieme Noi Ti ringraziamo จงร้องเพลงสรรเสริญ На Фавор Боже, вдячний Тобі ạlftrẗ ạltẖạnyẗ - Onething 2010 Han kom til meg
Song not available - connect to internet to try again?