Endrey, izato fahasambarana : Jesosy dia velona indray ! Ny foko mandre fitsaharana Noho Izy natsangan'ny Ray, Tsy any am-pasana intsony Fa hitako velona koa // Ilay Tompon'ny hery ambony Mamiratra sy manan-jo ! // He, velona Izy ! Hafarany Izaho izao hampandre Ireo izay tia ny Anarany Ny fampiononana be, Anjely no mendri-kilaza ; Izaho, mpanompo tsy soa, // Nirahin'ny Tompo malaza, Ka ravo sy tretrika koa ! // Endrey, izato fahasambarana, Fa velona mandrakizay Ny Tompo Izay nifankazarana, Ka faly ny foko indray ! Ny fasana izay nampisaona No fampiononana koa, // Fa tao izahay tafahaona Ka ravo dia ravo ny fo ! //Dio ha fatto cose grandi هاتْم با تَه ما أعجب حب العلي Každý obor to vzdá Инжил ўқишни яхши кўраман Madaqtandar Qudaıdy Kıeli Úıinde 要作新造的人 Благодаря за туй, че съществуваш Deine Gnade Reicht aus جۉرۅگۉمدۅ داڭقتال، تەڭىر
Song not available - connect to internet to try again?