Endrey, izato fahasambarana : Jesosy dia velona indray ! Ny foko mandre fitsaharana Noho Izy natsangan'ny Ray, Tsy any am-pasana intsony Fa hitako velona koa // Ilay Tompon'ny hery ambony Mamiratra sy manan-jo ! // He, velona Izy ! Hafarany Izaho izao hampandre Ireo izay tia ny Anarany Ny fampiononana be, Anjely no mendri-kilaza ; Izaho, mpanompo tsy soa, // Nirahin'ny Tompo malaza, Ka ravo sy tretrika koa ! // Endrey, izato fahasambarana, Fa velona mandrakizay Ny Tompo Izay nifankazarana, Ka faly ny foko indray ! Ny fasana izay nampisaona No fampiononana koa, // Fa tao izahay tafahaona Ka ravo dia ravo ny fo ! //Cuando miro y veo tu grandeza Kuormasi kun liian raskas ạlmwty̱ qạmwạ Pán Ježiš bude kraľovať Dadil boʻl Mən tamam itmişdim, Sən məni tapdın Jésus, j'élève ma voix vers toi ài de lì liàng tʿlyq 3 N-am să uit vreodată
Song not available - connect to internet to try again?