Endrika sariaka No anompoako Anao, Jehovah Ray Fa tapaka ny hevitro : Izaho dia olonao mandrakizay. He ny foko afa-jaly Tena ravo, sady falifaly, Ka : endrika sariaka No anompoako Anao Jehovah Ray. Fa tsaroan'izany saiko, Mandra-maty ho tadidiko, Ny nanavotanao ny aiko, Ilay fanahy sarobidiko. Fa nomena fahendrena Izay ekena fa ny famonjena, Ka : endrika ..sns. Be ny zavatra mihatra Mampahory sy mandrera-po ; Kanefa ireny tsy handratra Ny arovanao, ry Ilay Tsitoha. Fa ny fony tena tony Tsy mba kivy, tsy mba taitra intsony, Ka : endrika ..sns. Misy ve ny mampanahy Sy ny zava-manahirana ? He, tsy kivy ny fanahy Fa hijoro, ka ho mirana, Fa Jehovah, Ray Mahery, Miandany sady koa mijery, Ka : endrika ..sns.ạlywm wld lnạ tiān kōng de xíng yún Noi con lui yạ ḥyạẗ ạlqlb Vivere con me Cristo io ti amo ạsmk ytgẖny̱ fy̱ ạlbdʾ kạn ạlklmẗ Жашоо манызды Күч бересиң, чарчасам мен
Song not available - connect to internet to try again?