Enga ka hanana elatra soa // Aho etý // Mba hanidinako avo tokoa // Hody erý ! // Fo malahelo ny ratsy natao No ela-tsoa hitondra hankao ; Hanana elatra aho anie, Mba hanidinako ao ! Trano mamiratra tsara irý, // Raiko no ao // Na nahabe ahy aza ity, // Mamiko ao // Havako maro no sambatra ao, Faly ny foko hankeny izao ; Enga ka hanana elatra aho, Mba hanidinako ao ! Na dia an-danitra aza erý, // Lavitra va ? // Raha tarihin'i Jeso etý, // Ketraka va ? // Tsia, fa hiainga tokoa aho izao ! Indro akaiky ny lala-mankao ; Enga ka hanana elatra soa, Mba hanidinako ao ! Andriamanitra Ray no erý, // Tsara tokoa // Jesosy koa 'Lay Mpamonjy tetý, // Zanaka soa // Ao ny Fanahy Masina re ! Tapitra ao avokoa ny soa ; Hanana elatra aho anie, Mba hanidinako ao !У двери сердца твоего Фақат Масиҳ Взыщи меня بْه راستي Ah Bir olsam, İbrahim Gibi Olsam ระเยโฮวาห์เป็นพระเจ้า vints amskhvrevs tsodvis Haleluja, lebo Boh všemocný vládu má Caos พระคริสต์ยื่นพระหัตถ์ออกมาช่วยข้า
Song not available - connect to internet to try again?