Eny Raiko ! mba tariho Ny fanahin-janakao, Ka ny saiko atodiho Hankatò ny teninao ; Zaza be fisiasia, Tano re ny zanakao, Dia taomy mba ho tia Sy hanao ny sitrakao. Eny Raiko ! mba tsilovy Ny alehan-janakao, Ka tantano sy arovy Mba hankatý Aminao ; Mora reraka ny aina Raha tsy fahananao, Ka tohano tsy halaina Mba hanao ny sitrakao. Eny Raiko ! raha mafy Izany tsorakazonao, Ka ny aiko tsy mahahafy Mba vonjeo ny zanakao ; Ka ny foko izay adala Mba ovay sy hazavao, Dia taomy hahalala Mba hanao ny sitrakao. Eny Raiko ! mba tohano Raha mihatra ny manjo, Ka vimbino sy tantano Tsy ho kivy re ny fo ; Raha tapitra ny aiko, Raiso hody Aminao; Eny, ento aho, Raiko ! Fa izay no sitrakao.Oslavujte Hospodina Фома Божья река Джошун Pan Jezus chce 크신 내 주님 Уж скоро Господь нас введет в Ханаан Mám srdce plné radosti Je veux me rassasier Иисус - туж чылкыт Чеберлык
Song not available - connect to internet to try again?