Eny Raiko ! mba tariho Ny fanahin-janakao, Ka ny saiko atodiho Hankatò ny teninao ; Zaza be fisiasia, Tano re ny zanakao, Dia taomy mba ho tia Sy hanao ny sitrakao. Eny Raiko ! mba tsilovy Ny alehan-janakao, Ka tantano sy arovy Mba hankatý Aminao ; Mora reraka ny aina Raha tsy fahananao, Ka tohano tsy halaina Mba hanao ny sitrakao. Eny Raiko ! raha mafy Izany tsorakazonao, Ka ny aiko tsy mahahafy Mba vonjeo ny zanakao ; Ka ny foko izay adala Mba ovay sy hazavao, Dia taomy hahalala Mba hanao ny sitrakao. Eny Raiko ! mba tohano Raha mihatra ny manjo, Ka vimbino sy tantano Tsy ho kivy re ny fo ; Raha tapitra ny aiko, Raiso hody Aminao; Eny, ento aho, Raiko ! Fa izay no sitrakao.rén shēng zài shì Мен Кўраман Бир Ибодат Уйин Grande sei Cuando todo parece oscuro Парить FITIA FATRATRA Kelj fel, Uram, jöjj The heavens are Your trone Мен балки билмадим Күнәнің құнын
Song not available - connect to internet to try again?