Eo an-tananao, ry Raiko ! No apetrako izao Ny fiainako rehetra, Mba tahio ny zanakao ; Marobe ny fahavalo Ta-hamely ahy e ; Ry Jehovah, Ray Mpiaro ! Mba arovanao anie. Raha mbola eto aho, Zaza be fisiasia, Tia ratsy noho ny soa, Ka mandà ny Tompo tia ; Aza mba manary ahy, Ry Mpamonjy tsy mandao ! Aza manalavitra ahy, Andrao dia takona Aminao. Na ho lava, na ho fohy No hiainako etý, Tsy mba sitrako akory Ny handà 'zay tendrinao ; Raha tonga anio ny andro Izay handaozako ity, Eo an-tànanao no tiako, Raiso aho ho arý. Eo an tànanao, ry Raiko ! No apetrako izao Aina, tena sy fanahy, Mba vonjeo ny Zanakao, Ampianaro hahazaka Fitondrana tianao ; Ilazao mba hahalala Fa izao no sitrakao. Eny Raiko ! mba valio Izao fivavako izao, E, jereo ka mba tahio Izaho miandrandra Anao ; Mba sasao ny ranao soa, Dia hadio aho izao ; Ry Mpamonjy ! mihainoa Ny mpanomponao izao.Glória, glória Júregimniń kózin ash شعبك ينتظرك mnqwsẖ ʿly̱ ạlkfyn Ježiš môj Cand imi bat în poartă O duszo moja, dzięki składaj Credinta mea nu-i pe nisip La nuit passe, le matin Song of Love
Song not available - connect to internet to try again?