Eo an-tananao, ry Raiko ! No apetrako izao Ny fiainako rehetra, Mba tahio ny zanakao ; Marobe ny fahavalo Ta-hamely ahy e ; Ry Jehovah, Ray Mpiaro ! Mba arovanao anie. Raha mbola eto aho, Zaza be fisiasia, Tia ratsy noho ny soa, Ka mandà ny Tompo tia ; Aza mba manary ahy, Ry Mpamonjy tsy mandao ! Aza manalavitra ahy, Andrao dia takona Aminao. Na ho lava, na ho fohy No hiainako etý, Tsy mba sitrako akory Ny handà 'zay tendrinao ; Raha tonga anio ny andro Izay handaozako ity, Eo an-tànanao no tiako, Raiso aho ho arý. Eo an tànanao, ry Raiko ! No apetrako izao Aina, tena sy fanahy, Mba vonjeo ny Zanakao, Ampianaro hahazaka Fitondrana tianao ; Ilazao mba hahalala Fa izao no sitrakao. Eny Raiko ! mba valio Izao fivavako izao, E, jereo ka mba tahio Izaho miandrandra Anao ; Mba sasao ny ranao soa, Dia hadio aho izao ; Ry Mpamonjy ! mihainoa Ny mpanomponao izao.ạ̹n ạ̉nsy ده هو حبيبي Come Let Us Worship VAILAMTAHNAK AH KA RA Гюнахъм Чоктур tʿạl ạ̹lyạ La joie du Seigneur Ты воскрес Když zvolna slunce zapadá JESOSY NO TENA VATO FEHIZORO
Song not available - connect to internet to try again?