Eo an-tratranao, Jesosy, Dia mahafinaritra Fa ny hafa mampahory Ka tsy mahasambatra. Raha Hianao no aro, Afaka ny tahotro, Raiso ho Anao ny foko, Ry Jesosy tia ô ! Mampifaly ahy koa, Jeso, ny fitianao ; Zara mamiko tokoa Izany ampofoinao ; Na matory na mifoha ; Dia eo an-tratranao ; Ry Mpamonjy Tompo soa, Hoderaiko Hianao. Izaho tena tsy tamana, Raha lavitra Anao, Fa mitebiteby lava Izay tsy eo akaikinao. Eo an-tratranao, Jesosy, Tsara hitoerako ; Eo ihany e no misy Zava-tsoa mahafa-po.Modellami lmạ dʿạny rby Cuánto pobre extraviado ايها الآب المبارك مصدر الحب العجيب Trăit-am ani din viaţa mea Сүйүү азапка чыдаса Lift Up Your Hands (When You Can't) Небеса ạ̹nt ạ̹lh qdws تأمل 2
Song not available - connect to internet to try again?