Eo an-kavanan-dRay Hianao, Ry Zanakondry ô ! Kanefa loza mahamay No niaretanao. Ny henatra aman-kelokay Nihatra taminao ; Nivesatra ny otanay No nahafatesanao. Ry Zanakondry masina Nijaly an-tsitrapo, Teren'ny fitiavana Hanala otako ! Ny tongotra aman-tananao Dia voafantsika ; Ny gadranay dia tapakao, Izay dia afaka. Vahoaka alinalina Mitafy fotsy erý, Ka samy miramirana Mahita an'i Kristy. Ny hira fihobiana Manakoako ao, Maneho fa navotana Izao tontolo izao. Indreo ny vahoakanao An-tapitrisany Mitondra ny Anaranao Eo an-kandriny. He ! toy ny rian-drano be Ny fiderana Anao, Voasokatrao ny lanitra Ho an'ny olonao. Misaotra Anao izahay, ry Ray Izay navotanao, Natolotrao ho solonay Ny Lahitokanao. Ry Zanakondry, Avotray, Derainay Hianao, Derainay ho mandrakizay Ny fitiavanao !С небес пришёл Ты Сакин Гедже! Кутсал Гедже! Alléluia, le Seigneur règne Grande é o Senhor Прославляй Иисуса La messe è pronta Насны нар шингэлээ Duchu Święty, przyjdź dotknij mnie ạ̉tyt ạ̹ly̱ ạlʿạlm لازم حياتى تكون نقية
Song not available - connect to internet to try again?