Eo an-kavanan-dRay Hianao, Ry Zanakondry ô ! Kanefa loza mahamay No niaretanao. Ny henatra aman-kelokay Nihatra taminao ; Nivesatra ny otanay No nahafatesanao. Ry Zanakondry masina Nijaly an-tsitrapo, Teren'ny fitiavana Hanala otako ! Ny tongotra aman-tananao Dia voafantsika ; Ny gadranay dia tapakao, Izay dia afaka. Vahoaka alinalina Mitafy fotsy erý, Ka samy miramirana Mahita an'i Kristy. Ny hira fihobiana Manakoako ao, Maneho fa navotana Izao tontolo izao. Indreo ny vahoakanao An-tapitrisany Mitondra ny Anaranao Eo an-kandriny. He ! toy ny rian-drano be Ny fiderana Anao, Voasokatrao ny lanitra Ho an'ny olonao. Misaotra Anao izahay, ry Ray Izay navotanao, Natolotrao ho solonay Ny Lahitokanao. Ry Zanakondry, Avotray, Derainay Hianao, Derainay ho mandrakizay Ny fitiavanao !Rabbi Sabırla Bekledim Умчались безвозвратно дни вчерашние Priblížil sa deň radosti, deň preveľkej veselosti Раб Аллахъм, Хайранлък Дуйуйорум Dera re, laza anie lk ạ̉hdy yạ ạ̹lhy xī biān de kuàng yě lǐ yǒu yī zhǐ mí shī de yáng wǒ de xīn nǎ nǐ yào chēng sòng yé hé huá Как часто мы блуждали Alles bist du mir, Herr
Song not available - connect to internet to try again?