Faingàna ry hava-malala, Hatòny ny Tompo izao, Ny fo sy ny feo asandrato, Derao Ilay nanavotra anao, Ny avotra ny famonjena, Izay vitany tao Kalvary, No fanantenan'ny mpanota Hahazo fiainana arý. He Izy mitondra irery Ny mafy, nisolo anao, Ka maty hamonjy ny very ; Ny rany nandriaka tao. Niaritra latsa sy eso, Ny hombo sy lefona koa ; Nivesatra ota Izy teto Hanananao fiainana koa. Endre ! ny fitiavan'i Jeso, Ry olo-mahantra, jereo ! Nijaly hamonjy, hevero, Ny ota mahazo ekeo ; Ekeo, fa ny fo mihamafy, Dia loza manenjika anao ; Faingàna hamonjy ny ainao, Hararaoty ny andro izao. Ny masom-panahy atopazo, Ny lanitra no andrandrao ; Ny Tompo maniry hamonjy, Henoy fa miantso anao. Faingàna, ry hava-malala ! Modia an-tranon'ny Ray ; Miandry anao re ny lova, Fiainana mandrakizay.Bize Ver, Ver, Ver, Ver, Ver, Bize Ver Sur toi je me repose Szybko życia mija czas Maan korvessa kyf ạ̉njw J'ENTRE DANS LE SAINT DES SAINTS Cuando los santos marchen ya Түүний нэрийг Варлъънъ ЬОзледим Rab İsmini Yüceltirim
Song not available - connect to internet to try again?