Faingàna ry hava-malala, Hatòny ny Tompo izao, Ny fo sy ny feo asandrato, Derao Ilay nanavotra anao, Ny avotra ny famonjena, Izay vitany tao Kalvary, No fanantenan'ny mpanota Hahazo fiainana arý. He Izy mitondra irery Ny mafy, nisolo anao, Ka maty hamonjy ny very ; Ny rany nandriaka tao. Niaritra latsa sy eso, Ny hombo sy lefona koa ; Nivesatra ota Izy teto Hanananao fiainana koa. Endre ! ny fitiavan'i Jeso, Ry olo-mahantra, jereo ! Nijaly hamonjy, hevero, Ny ota mahazo ekeo ; Ekeo, fa ny fo mihamafy, Dia loza manenjika anao ; Faingàna hamonjy ny ainao, Hararaoty ny andro izao. Ny masom-panahy atopazo, Ny lanitra no andrandrao ; Ny Tompo maniry hamonjy, Henoy fa miantso anao. Faingàna, ry hava-malala ! Modia an-tranon'ny Ray ; Miandry anao re ny lova, Fiainana mandrakizay.Севгин Акъйор Бана Йюдже Чармъхтан Dragă-i ora dimineţii సర్వకృపానిదియగు ప్రభువా Tichá noc Иисус - ынакшылым Сен Vznešený Муқәддәс Рәб Сабаот yé sū yé sū wǒ jī dòng de duì nǐ shuō Ты включи В Милости Твоей
Song not available - connect to internet to try again?