Fanahy Mpanazava, Ny foko hazavao Maniry lalandava Ny Pentekositrao. Ny aizina ao am-poko, Fongary re ho lao ; Ny foko mitoloko, Maniry indrindra Anao ! Fanahy Mpanadio, Ny foko mba sasao. Diovy re anio Ho tena lapanao ; Ny hevitray misoko Izay te-handroaka Anao, Dia ota te-hijoko, Esory sy fafao ! Fanahy Mpampahery Izay rerakao sy voa, Ny foko re dia tery Hiantoraka Aminao. Izay mandrebireby, Roahy re izao, Ny fo mitebiteby, Hiondana Aminao ! Amen.كيف أجرؤ lwlạ ạlnʿmẗ Już słoneczko jasne pola ozłociło Був якось зібрався, з паперу кораблик Cand eşti aproape de Dumnezeu Merci pour la croix Айкаш жыгач كل أرض ناشفة Над городом кружит пурга Делай лучшее что можешь
Song not available - connect to internet to try again?