Fitiavana tokoa re, ny Ray an-danitra Fa manolo-java-tsoa Tena mahasambatra Ho antsika izay mpanota, Ory, osa, rera-po, Izy masina sy to Ta-hanaisotra ny ota Noho ny fanavotana Vitan'i Jesosy e ! Tsy ho very, ry mahantra Sy miferin'aina izao, Fa ny Ray Izay feno antra, Aoka mba hinoanao. Sambatra ny voavela Heloka tokoa re, Fa Jesosy manome Fanavaozam-po sy lela, Hira fideram-baovao No ho re an-dalalanao. O, ry Rainay be fitia, Mba ampio izahay, Tsy ho kivy, tsy hania Ao am-pandehananay, Fa handroso mba hankany Aminao an-danitra. Ry Andriamanitra, Be ny loza atý an-tany Fa ny ranomasonay Faohinao rahatrizay.Miłość cudowna Vaz geçtim ben dünyadan Гене сана дьонюйом бен, Бабам Pán Boh všemohúci Этот радостный день Ty dávaš mi nádej Ах бир билсе бир анласа مەن مىندا تۇرام Xudo sevar O, Kıeli Tún
Song not available - connect to internet to try again?