Fizarana I Andriamanitra Tompo ô ! Ray, Fanahy, Zanaka, Mihainoa anay izao Ry Telo Izay Iray ! Jeso Zanak'i Maria, Naka endrik'olona, Tonga zaza toa anay : Mihainoa, Jeso ô ! Notafian-dreninao Lamban-jaza Hianao Tao anaty vilona : Mihainoa, Jeso ô ! Novangian'olona 'Zay niandry ondriny Tao an-tsaham-Betlehema : Mihainoa, Jeso ô ! Notezaina Hianao, Notrotroin'i Simeona, Notompoin'i Ana koa, Mihainoa, Jeso ô ! Fizarana II Amin'ny avonavona, Amin'ny fahatezerana, Amin'ny fialonana : Mamonje, ry Jeso ! Amin'ny hevi-tsy madio, Amin'ny teny ratsy koa, Amin'ny fahasarotam-po : Mamonje, ry Jeso ! Hankatò ny didinao, Hankahala heloka, Mba ho zanakao tokoa : Mitariha, Jeso ! Mba hazoto izahay, Tia fivavahana, Tsy ho resin'i Satana : Mitariha, Jeso ! Fizarana III Noho ny nahaterahanao Noho ny ranomasonao, Noho ny fahorianao : Mamonje, ry Jeso ô ! Noho ny satro-tsilonao, Noho ny ra nalatsakao, Noho ny nitsangananao Mamonje, ry Jeso ô ! Noho ilay Anaranao Iondrehon'olona Sy ny ao an-danitra : Mamonje, ry Jeso ô ! Noho ny herinao tsy toha Noho ny voninahitrao, Noho ny famindramponao Mamonje, ry Jeso ô !Čoskoro sa Pán k nám vráti ạlạbṣạlyh Miladın Səbəbkarı Яхвенин үнү ٴداندى الامىز، جەرگە سالامىز دم الرب اشترانا وافتدانا يا عجيبا Wees stil en weet ek is die Heer kyf tskt ʿn sẖʿbk Veseľ sa ľudské stvorenie
Song not available - connect to internet to try again?