Gologota no jereo, Ao ny hazo fijaliana; Indro re, mihantona eo Jeso, sady harabiana. Moa mba fantatrao, ry fo, Ny fitiavan'i Jesosy, 'Zay nandefitra tokoa, Ary koa ninia ho resy ? Famonjena ho anao No netezany hihafy, Ka hijaly toa izao Sy hiharitra ny mafy. He, ny rany nitete Vokatry ny fanomboana; Vetivety foana re Dia ho faty ao ny Tompo. Mitsangana, miaingà, Ndeha mankany Gologota ; Ao no latsaka ny ra Hamonjena ny mpanota ; Io no hany mahadio, Antoka tsy hay ravàna Eny, samy afak'io 'Zay rehetra fahotàna !Qoy Bütün Dünya Bilsin Встав сегодня утром рано بۇل دۉينۅدۅ تۅرۅلدۉڭ Sois heureux Со Христом бодрее в путь пойду я DUCHU SVÄTÝ وجدنا الذي كتب عن موسي قلبه حنين The Eternal Son Nedeľný deň
Song not available - connect to internet to try again?