Gologota no jereo, Ao ny hazo fijaliana; Indro re, mihantona eo Jeso, sady harabiana. Moa mba fantatrao, ry fo, Ny fitiavan'i Jesosy, 'Zay nandefitra tokoa, Ary koa ninia ho resy ? Famonjena ho anao No netezany hihafy, Ka hijaly toa izao Sy hiharitra ny mafy. He, ny rany nitete Vokatry ny fanomboana; Vetivety foana re Dia ho faty ao ny Tompo. Mitsangana, miaingà, Ndeha mankany Gologota ; Ao no latsaka ny ra Hamonjena ny mpanota ; Io no hany mahadio, Antoka tsy hay ravàna Eny, samy afak'io 'Zay rehetra fahotàna !你为何要跟主走 افرح يا شعب İşte Bulutlarla Geliyor! Chválu vzdajme Otcovi Sevgin Sonsuzdur Bila 'Ku Berdoa hnrnm Притяжение ʿnd sẖq ạlfjr Псалом 91
Song not available - connect to internet to try again?