Hajain'ny saiko Fototry ny aiko, Itsaohan'ny fanahiko, Tokana iriko, Malala tiako : Hianao, Jeso Mpamonjiko ! Mety malazo Ny voninkazo, Ny ahi-maintso koa re ! Fa misy lova Tsy mba miova : Jesosy Perla soa e ! Ao lalandava Ny andro mazava, Ny kintana, ny volana ; Jesosy irery Tompon'ny hery : Tsy azo ihoarana. He, igagàna Ny hatanorana, Fa na mahafinaritra, Mety mihena Ny herin-tena : Jesosy no maharitra. Tsy misy fetra Zavatra rehetra Hianao Jesosy, Tokiko, Akaiky ahy, Zoky Mpiahy, Ny tsara indrindra amiko. Raha ho lasa, Fa vita ny asa, Tohano aho, Jeso ô ! Ampio aho Sy atanjaho, Ho sambatra eo an-tratranao.Я долго так искала небо A NUNG 心愿 Dilegimi eşit موسيقى أريد أن أعرف بتسبيح الرب ينطق فمي Сонсузларджа Дири Олан Credinţă ca-a lui Daniel O, niech cię nie zwodzi
Song not available - connect to internet to try again?