Hajao ny olo-masina Mpanaraka ny Tomponao, Miely sy Manerana Izao tontolo izao ; Ireo dia tonga ohatra, Ka tokony harahinao, Na efa olon-dehibe, Na zaza hianao ; Tanteraka ny sasany, Ka efa nody amin-dRay ; Ny sasany dia mbola atý Milasy amin-day. Ka betsaka ny isany, Na atý, na ao an-danitra ; Ny Rainy kosa dia iray, Andriamanitra ; Ireo maro namanao Miantso koa maka anao Hiaraka hiezaka Hankao an-danitra ; Ka dia miezaha re, Ka aza kivy hianao ; Jereo ao aloha ao Ny loka ho anao.ها أنا أرسل بشرى Where Jesus Is, 'Tis Heaven گۇه بْدَه مْن صاخب الكل حولي Сəнин Адынын гүдрəти гаранлыглары дағыдыр ạsẖʿl qlby̱ bnạr ạ̉lhb qlby̱ bnạr Preghiera per i bimbi soli V Tvojich dvoranách túžim stáť الكلمة منك مش أوهام Бүх зүрхээрээ би хүндэлнэ
Song not available - connect to internet to try again?