Haleloia, deraina Andriamanitray, Mpanjaka fototr'aina, Mpikarakara anay, Ny zava-boahary Dia eo an-tananao, Ka tena lavorary Ny fandaharanao. Haleloia, deraina Hianao, Mpamonjinay Nijaly, noratraina, Ka maty solonay, Anefa naharesy Ny fahavalonay, Natsangana handresy Mba ho fiainanay. Haleloia, deraina Hianao, Fanahy ô ! Ny herinao ny aina Hamelona tokoa ; Hianao mikarakara Ny fiangonanao, Manova, manatsara Izao tontolo izao. Haleloia, deraina Ny Telo Izay Iray ! Hobina sy hiraina, Fa Andriamanitray, He, Tompo foto-tsoa Iainanay atý, Fa ho izany koa Mandrakizay doria.Сила Господня أرفع قرابيني Mi-e inima amara si plange Шторм أنا شايف Раб'бе Гери Дьонелим Luce Mai aproape Doamne către Tine Сана Якаръйорум Daha Çok Benzer Olmak İsterim
Song not available - connect to internet to try again?