Haleloia, deraina Andriamanitray, Mpanjaka fototr'aina, Mpikarakara anay, Ny zava-boahary Dia eo an-tananao, Ka tena lavorary Ny fandaharanao. Haleloia, deraina Hianao, Mpamonjinay Nijaly, noratraina, Ka maty solonay, Anefa naharesy Ny fahavalonay, Natsangana handresy Mba ho fiainanay. Haleloia, deraina Hianao, Fanahy ô ! Ny herinao ny aina Hamelona tokoa ; Hianao mikarakara Ny fiangonanao, Manova, manatsara Izao tontolo izao. Haleloia, deraina Ny Telo Izay Iray ! Hobina sy hiraina, Fa Andriamanitray, He, Tompo foto-tsoa Iainanay atý, Fa ho izany koa Mandrakizay doria.Jalǵyz Sen meniń úmit artarymsyń Бог в моей жизни в моем дыханье Яз Гелди; Съджак Рюзгарлар Прославленный час (Алексей Каратаев) Месих'ле Яшъйорум Be ny mampahory Молитва Burnunuza Dokunun С Рождеством тебя God, That Madest Earth and Heaven
Song not available - connect to internet to try again?