Haleloia ! haleloia ! Miderà ny Tomponao, Manandratra feo hidera An'i Jeso Kristy 'zao Fa nijaly mafy Izy, Nefa indro velona Izy Ao an-danitra tokoa ! Eny, velona ny Tompo, Mba ho santatsika koa Ka ho velona ny mino Sy hitsangana tokoa ; Dia handray ny lova soa Satro-bolamena koa, Ka hidera ny Mpamonjy Sy ho sambatra avokoa. Haleloia ! haleloia ! Haja, hery, saotra anie No hatolotra ny Tompo, 'Zay Mpandresy lehibe, Hoderaina lalandava Fa Mpanjaka manan-jo, Haleloia ! haleloia ! Hoderaina eram-po !أنا شمس البر Ёнингда турганни ᠢᠰᠦᠢᠰ᠂ ᠡᠵᠡᠨ ᠲᠠᠨ ᠢ ᠢᠪᠡᠭᠡᠭ بصلاتي أناديك พลังสัมพันธ์ภาคกลาง Их Эзэний хөлд Vždy je s nami tá Il Signore chiama i bambini Құтқарушым ғажапсың, Сені дос деп өтермін ạ̉myn tʿạl yạ rby ạlmbạrk
Song not available - connect to internet to try again?