Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony. Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra. Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra. Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra. Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra. Midera an'i Jehovah eto an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra, Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny, Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra, Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina, Ny mpanjaka amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany, Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora, Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy ny lanitra Ny voninahiny. Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia. Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka, Ary ny Fanahy Masina; Eny, hisaorana sy hankalazaina anie Andriamanitra mandraki-zay. Amen.Jézus jön közénk! Девла бичал то духос Lauda cinste onoare Mielului Düşmüştüm Ben Günaha Песен На Спасението lạ msẖ hạ ạ̉bky Misaora! Misaora an'i jehovah ىراقمات wǒ fèng zhǔ de míng xuān gào Севирем сени Иса
Song not available - connect to internet to try again?