Haleloia ! Sambasamba ! Hitanay ny taom-baovao; Avy izahay, Jehovah ! Mba hifaly aminao ; Fihirana no atao, Saotra, vavaka, No atolotray Anao, Ry Mpamelona ! Haleloia ! Sambasamba ! Faly izahay izao : Haleloia ! Sambasamba ! Hitanay ny taom-baovao. Lasana ny andro maro, Be ny zavatra natao, Na ny mety, na ny diso, Samy efa fantatrao ; Aoka anie ny tsininay Hovonoinao, Fa ny mety vitanay Mba haharitra : Haleloia, ..sns. Ka ny taom-baovao, Jehovah ! Aoka hanomezanao Fahendrena ny mpitondra, Hahasoa ny olonao ; Ka ny Fiangonana Hamasinonao Mba handroso marina Hahalala Anao: Haleloia, ..sns. Mitsingerina ny taona, Fohy andro izahay, Vetivety dia hihaona Aminao, ry Tomponay ! Enga ka ho hitanay Ao an-danitra Ny Sabata tsara izay Tsy ho tapitra : Haleloia, ..sns.ИСУС Е МОЯ БОГ Oh Cristo mío, eres Tú Birgina Isoda baxtiyor boʻldim Święty, święty ЕЛ-ШАДАЙ يا عجيبًا Qu'ils sont beaux sur les montagnes Теңир таза жүрөктөрдү чогултуп Кто-то сеет Черно-белые будни
Song not available - connect to internet to try again?