Havaozy, Tompo ô, Ny endriky ny tany, Ny voninahitrao hatao Fahazavany, Izao aizim-pito izao Levoninao tokoa Izao ratsy be izao // esory avokoa // Havaozy Tompo ô, Ny endriky ny tany, Reseo ny rafinao, Ravao ny fanjakany, Ampanjakao tokoa Jesosy Zanakao, Izao rehetra izao // hanao ny sitrakao // Havaozy, Tompo ô, Ny endriky ny tany, Koa averenonao indray Ny hatsaràny ; Fanahy Mpanavao, Ny famelomanao Tadiavinao izao // vitao ny asanao // Havaozy, Tompo ô, Ny endriky ny tany, Ny olonao izao maniry Indrindra izany. Henoy ny sentonay Miakatra aminao, Ka hafainganonao // ny fanavaozanao //Glory now to Thee be given lsạny ạlṣgẖyr Voici l'Agneau Veni Spirito Creatore Боришим керак бўлган Tu vedrai Pan ma wielką moc Менин жаным күтөт Сени ạlwʿd - The Promise - ạ̉bryl 2009 Tanrı'ya şan olsun
Song not available - connect to internet to try again?