He, faly ny fanahiko, Fa avy Ilay Malalako, Dia Jeso tonga zaza, Ka mety ho Mpamonjiko, Na dia tsy mendrika aza Izaho, ry Jesosy ô ! // Raiso ho Anao ! // Ry Jeso Zazakely ô, Iriko mafy Hianao, Avia re, ry Zaza, Ny foko itoeranao Na dia ratsy aza Ka tsy mba mendrika Anao, // Ry Jesosy ô // Endrey ny fitiavanao, Ry Ray, namoy ny Zanakao ; Izahay, izay fahavalo Ka ivesaran-keloka, Avelanao hivalo Ka hiditra ao an-danitra. // Enga ka ho ao ! // Endrey ny fifaliana Tsy tratry ny fisainana Ataon'ireo anjely Manerana ny lanitra ! Fa any ny Noely Hitohy tsy ho tapitra, // Enga ka ho ao ! //ЬОведжеим ьоведжеим Ricordati oh Signore Иса, Туткум Сени Танъмак لا تخف أنا معك Sakkeus Танръ съънаъмъздър Cand Isus era pe munte Встают передо мною взоры جزء 10 قادردان خالاصگَریم
Song not available - connect to internet to try again?